ππππππ πππππππππ: πππππππππππππ ππ π
πππππππππ ππβπ ππππππππππππ
Publicado em: 23/04/2026 19:00
π³ππππ’π π΄ππππππππππ
[ππππ-26 ππππππππ 2026]
Manohana sy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny PΓ΄litika Ankapoben’ny Fitondrana Fanavaozana, ny Vondrona Eoropeana.

Dinika sy fifanakalozan-kevitra mahakasika izany, indrindra momba ny fampiasana ny Tahiry Eoropeana, no votoatin’ny fihaonana teo amin’ny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ny delegasiaon’ny Vondrona Eoropeana, notarihin’ny Ambasadaoro, Roland Kobia, teto Mahazoarivo, androany. Nanatrika ny adihevitra ihany koa ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr. Ramiarison Herinjatovo, sy ny Lehiben’ny sampana PΓ΄litika ao amin’ny Vondrona Eoropeana, Laurent DβErsu ary ny Lehiben’ny fiaraha-miasa, Roberto Schiliro.

Notsiahivin’ny Praiminisitra, ireo laharampahamehan’ny fitondrana ankehitriny, toy ny fanaingana ny sehatry ny toekarena sy ny fijerena akaiky ny fampivoarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Ankoatr’ireo ny fametrahana ny fomba fiasa anatin’ny mangarahara sy ny ady atao amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatra rehetra. Zavadehibe, hoy izy, ny fisian’ny mpiara-miombon’antoka toy ny Vondrona Eoropeana, izay vonona hatrany mifanome tanana ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Ny 90%n’ny fanampiana ho an’ny Firenena malagasy, azo avy amin’ny alalan’ny Tahiry Eoropeana, dia fanomezana tsy averina, ary eo koa ny fampindramam-bola ataon’ny « Banque europΓ©enne d’investissementΒ Β» (prΓͺt Γ taux rΓ©duits). Ireo rehetra ireo no niaraha-nijery ny fomba hampiasana azy amin’ny tokony ho izy sy ny hahafahana mampitombo ny fanampiana an’i Madagasikara.
Fonte: Primature